Sport

Gérard Andriamanohisoa “6 tapitrisa dolara sisa tsy voaloan’ny fanjakana”


  • Talata 23 Novambra 2021

Nanamafy ny Fanjakana tamin’ny Sekreteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana Atoa Gérard Andriamanohisoa eo anatrehan’ny resabe momba ny Kianja Barea,

 fa hifarana ny faha-30 volana novambra ho avy izao ny fifanaraham-piaraha-miasa amin'ny fanamboarana ny kianjan'ny Barea. Miisa 16, hoy izy, ny antokon'asa ka ny 7,99% na 6 tapitrisa dolara mahery sisa no vola aloha amin'ny orin'asa Sinoa aorinan'ny fampihaingoana ny “gradin” sy ny fanajariana ny ivelany toy ny "stade couvert" mba hifanaraka ny fenitry ny kianja, araka ny fampahafantarana omaly 22 novambra, niantsoany izay mpanao gazety metimety aminy. Nohamafisiny fa voaloa ara-dalàna sy manaraka ny fifanarahana ny vola tamin'ny fanamboarana. Tsiahivina kosa fa mitentina 77 387 000 dolara ny teti-bidy nanaovana ny kianjan'ny Barea ary misy antoka herintaona arahina "chèque de garantie" 5%, hoy io tompon’andraikitra io. Raha ilay taratasy nataon’ny orinasa sinoa CSCOD (China Construction Overseas Development Madagascar SARL) ny 01 novambra 2021 kosa dia 17.321.614,90 dolara ny vola notakian’izy ireo amin’ny Fanjakana. Somary henjakenjana ny raharaha satria niditra an-tsehatra nitady fifampiraharahana mihitsy ny Fiadidian’ny Repoblikan’I Madagasikara tamin’ny alalan’ny Sekretera Jeneraliny teo anatrehan’ny nilazan’ny sinoa, fa ho tapaka ny kaomandy fibaikoana ny jiro, ny “écrant géant”, ny “système de sécurité”,… raha ny fifamaliana ara-taratasy. Aloa aorian’ny fahavitan’ny asa ny vola, hoy I Gérard Andriamanohisoa izay nanitrikitrika. Marihina fa raha ny taratasy nataon’ny CSCOD dia maneho fa 17.321.614,90 dolara ny volan’izy ireo tsy voaloa, saingy ny Fanjakana kosa milaza fa 6 tapitrisa dolara eo sisa. Toy ny taratasy fitakiam-bola rehetra iny taratasy nalefan’ny CSCOD iny, hoy izy. Raha tsy vita ireo dia tsy azo atao ny mandoa satria izay ny fepetra. Rehefa nanao fifanarahana, na inona na inona fiantraikan’ny covid-19, na inona fiantraikan’ny fiakaran’ny fitaterana entana,… dia tsy nanampy na 1Ar aza ny Fanjakana. Mitaraina izy hoe matiantoka, ka atao ahoana moa fa rehefa fifanarahana dia fifanarahana, hoy i Gérard Andriamanohisoa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT