Sport

Gazety ara-panatanjahatena Nodimandry i Solofo Ratsifa


  • Talata 11 Aprily 2023

Banga iray indray ny tontolon'ny fanaovana gazety ara-panatanjahatena Nodimandry ny sabotsy teo teo amin'ny faha 68 taonany i Solofo Ratsifandrihamanana.

Efa narary ela izy fa tsy naharesy ny fandidiana natao taminy dia izao lasa izao. Andrarezin'ny fanaovana gazety ara-panatanjahatena raha i Solofo Ratsifa raha teo amin'ny tennis sy lomano no tena nahafantaran'ny maro azy satria izy no namolavola ireo anabaviny, Bako sy Vola,, ho tonga sangany teo amin'io taranja io. Isan'ireo andrin'i Midi Madagadikara raha i Solofo nefa teo amin'ny MaTV izy no tena nisongadina satria izy no namorona ny fandaharana Mahery ary koa ny fankasitrahana ireo mpilalao nanamarika ny taona tamin'ny alalan'ilay fandaharana Izy ilay Ma Hery. Nanasa anay namany akaiky izy farany teo kay moa dia iny no farany nahitana azy miova tsy toy ny fanaovam-beloma Isan'ireo nasainy teny an-tranony teny Ankadilalampotsy ny tenako satria niara-niasa ela tao amin'ny Midi fa saingy tsy afaka aho noho ny antony tsy azo nanoharana .Tonga teny kosa ireo rehetra mpanao gazety ara-panatanjahatena toa an'i Sylvain Ranjalahy ( Express), Tata Ramboa Michel ( La Vérité), Naina Rabearivony ( TVM), Daniel Randriamaro ( RNM). Ireo rehetra ireo izay mbola tonga nanome voninahitra farany azy ny alatsinainy teo. Nisy fanompoam-pivavahana teny amin'ny FJKM Andrianarivo mialoha ny nanaterana ny nofony teny amin'ny fasan- drazany .Mandria am-piadanana leisy Ratsifa.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT