Sport

Gala International de Multi-Boxe Goragora ny fikarakarana


  • Talata 26 Febroary 2019

Notontosaina tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina tamin’ny sabotsy 23 febroary2019 tolakandro teo ny hetsika “Gala International de Multi-Boxe”

 

 

 ka nanatrehan’ny mpijery Malagasy an’izany ady Boxe Chinoise izany izay nifanandrinan’ny mpikatroka Malagasy sy mpikatroka avy atsy La Réunion. Niaraka taminy tao koa ny ady  Boxe Anglaise, K-1, Kick Boxing ary Muay Thai sy ny « demonstration » Jupama sy diamanga Malagasy ary ny fisehoan’ i Christian Randriamalaza tompondaka eran-tanin’ny Boxe Chinoise in-9 ampahibemaso tamin’ny mpitia haiady teto Madagasikara.  Raha  tsorina dia goragora ny fikarakarana an’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity. Amin’ny ankapobeny, tsy ny taranja Boxe Anglaise ohatra ny eto amintsika no miahy ny Boxe Chinoise any La Réunion fa ny taranja Kick Boxing sy ny Discipline Associée. Anisan’ny nahatara ny fanombohan’ny hetsika ny  olana ara-pitsarana sy ny tsy fahatongavan’ny dokotera hanara-maso ny lalao Boxe Chinoise. Ny  vokatra azo tamin’ireo iraisam-pirenena 9 lahy sy vavy dia nanjaka tanteraka i La Réunion nahazo fandresena 6, 3 kosa ny fandresena azon’ny Malagasy ka ny 2 tamin’ireo dia fandresena  “par forfait” avokoa.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT