Sport

FTMRAT Rugby Efa nijery manokana ny teny ambany tanàna


  • Alatsinainy 11 Mey 2020

Fantatra izao fa anisan’ireo fikambanana mikarakara hetsika ara-panatanjahantena rugby efa nanatanteraka fanampiana ho an’ireo olona sahirana eny Ambany tanàna ny FMTRAT “Fikambanan’ny Tanora Mpanao Rugby eny Ambany Tanàna” tarihan’ny filohany :

 

 

Rakotondrafara Jean Herinaina antsoina hoe Naina Be. Tamin’ny fiandohan’ity volana mey hitsahana ity no nanaovan’ireo an’izany hetsika izany teny Mahamasina ka olona marefo ara-pivelomana nahatratra 1500 isa no samy notolorana vary 3kg sy siramamy 2 kg ary menaka 1 litatra tsirairay avy. Santatra ambavarano amin’izao fiatrehan’ny rehetra ny fepetran’ny fjjanonana an-trano izao izany hetsika izany, hoy i Naina Be, fa mbola hisy ny hetsika manaraka hanohizana azy saingy miankina amin’ny fanampian’ny mpanohana mahazatra azy ireo ihany izany.

 Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT