Sport

FTBF Antaninarenina Mpikatroka 55 notolorana diplaoma sy fehinkibo vaovao


  • Alatsinainy 25 Jolay 2016

Mpikatroka niisa 55 mpiangaly ny taranja Kick Boxing, avy ao amin’ny klioban’ny FTBF na Full Thai Bong Finances etsy Antaninarenina tarihan’i Me Patrice Rakotonindrina tepana mainty 5è degré,

 

 no notolarana diplaoma sy fehinkibo vaovao omaly alahady 24 jolay 2016, noho ny fahavitan’izy ireo fanadinana hiakarana amin’ny toerana avoavo kokoa noho ny nisy azy teo. Ny filohan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra no nanolotra ho azy 33 an’izany (19 tepana mavo, 13 tepana loranjy ary 1 tepana volon-tsôkôla) raha ny filazan’ny filohan’ny federasiona, Andrianirina Briand nanolotra azy 22 mianadahy tepana mainty (1° ka hatramin’ny 4° degré) ny anjarany avy. 6 taona lasa izay, hoy ny filohan’ny federasiona, no nandalovako teto amin’ity toerana ity farany ary efa zokinjokiny avokoa ny mpikatroka teto tamin’izany. Mahavelom-bolo ny fiakaran’ireo taninketsa no misy ny sangany ka tena reharehan’i Madagasikara ity FTBF ity, hoy izy. Nambarany fa anisan’ireo sangany tafaraka taminy foana i Naval tamin’ny fiatrehana lalao tany ivelany tany ka hirariana mba ho be ny mpandimby azy ao amin’ny FTBF. Noporofoin’Atoa Briand Andrianirina, fa mahafantatra ny ankamaroan’ny mpilalao amin’ity taranja ity izy ary mahafehy tsara ny fivoarana misy eo amin’ny taranja. Nambarany ofisialy koa fa efa manomana ny hiatrehana ny ho tompondaka erantany hatao any Brezila amin’ny taona ho avy isika Malagasy dieny izao.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT