Frédéric Roux

Mitondra ny traikefany ao Djibouti


  • Alatsinainy 02 Oktobra 2023

Mamiratra ao amin’ny klioban’i Al Kholood Club ao Arabia saodita amin’izao fotoana izao ilay mpanazatra portogay,

Fabiano José Costa Flora, mpanazatra mpanampy an’ilay malagasy, Eric Rabesandratana, fony ity farany nanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea. Mitondra ny traikefany ary misongadina ao Djibouti koa etsy ankilan’izay, raha ny fampitam-baovao voaray ny faran’ny herinandro teo, ny mpanazatra manokan’ireo mpiandry tsatoby malagasy niaraka tamin’i Eric Rabe tamin’izany fotoana izany hatrany dia ilay tekinisianina frantsay, Frédéric Roux. Ny klioban’i Arta/Solar7 no raisin an-tanana ao an-toerana ary vao tamin’ny herinandro teo ry zareo no nandresy tamin’ny isa mazava ny andrarezina ao Egipta dia ny Zamalek 2 noho 0. Andrarezina miisa 2 no miara-miasa amin’ity frantsay ity any an-toerana miara-mitondra aminy izay traikefa izay dia ny mpilalaon’i Chelsea taloha, Salomon Kalou, sy Alex Song, izay efa tao amin’ny Arsenal sy Barcelone, izay samy klioba goavana any Eoropa avokoa. Tsy kisendrasendra, hoy ireo mpanao gazety ao Djibouti no nandresentsika an’i Maorisy tamin’ny isa 1 noho 3 tamin’ny volana jona tao Côte d'Or.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT