Sport

Francklin Andriamanarivo Tsy maintsy mandresy ny Barea amin’ny alahady


  • Alakamisy 25 Jolay 2019

Tsy maintsy mandresy an’i Mozambika amin’ny alahady izao eto Mahamasina ny Barea tarihako, hoy ny mpanazatra Andriamanarivo Francklin tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana omaly nandritra ny fanazarantena nataon’izy ireo tetsy Mahamasina,

 

 

 

 ka hamafa ny vesatra rehetra mianjady amin’ireto Barea Chan ireto manoloana ny fahombiazan’ny Barea Can tany Egypte sy ny faharendrehan’ny Barea Jioi tany Maorisy. Efa vitanay tanteraka ny fanazarantena amin’ny ankapobeny, hoy izy, fa ny resaka pisikolojia no ezahina hamafisina tsara. Hamafisina bebe ihany koa ny  teknika fampidiram-baolina fa toromarika nomena an’ireo mpilalao ny hanafika hatramin’ny farany. Efa milamina sy efa fantatra avokoa ho an’ny Barea Chan ireo handaka ny penality sy “Coup franc” raha mahazo an’izany isika. Mahafinaritra fa salama tsara avokoa ankehitriny ireo mpilalao rehetra fa efa nahazo fitsaboana tsara ireo naratra. Mahatoky an’ireo mpilalaon’ny Barea Chan rehetra ireo ny tenako, hoy i Francklin, fa efa nanome ny traikefa ananany avokoa izahay mpanazatra rehetra. Nambaran’ity mpanazatra ity fa anio alakamisy 25 jolay 2019 no havoaka ny anarana raikitra handrafitra ny Barea Chan hifanandrina amin’i Mozambika ka nampidirina  ao anatiny i Leda (Cnaps Sport) sy Baggio (Fosa Juniors) avy tany Egypte sy Lôlôdy (Fosa Juniors) ary Patrick (Ajesaia) sy Richard (3Fb) avy tany amin’ny JIOI Maurice.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT