“Efa tena mivoatra ny ekipa rehetra miatrika ny CAN Egypte 2019, hoy i Franck Rajaonarisamba mpanazatra nasionaly Malagasy manana ny “Licence A”
izay mifandraika amin’ny gradin’ny 3è degré hoan’ny mpanazatra ny baolina kitra miaraka amin’ny FIFA, ka tsy misy azo lazaina fa ekipa madinika izany intsony ireo mpandray anjara ka izany no manahirana an’ireo ekipa lazaina fa vaventy sy manana traikefa any Egypte ankehitriny. Efa mampihatra ny fanaovana baolina kitra maoderina avokoa mantsy izao ny ekipa rehetra amin’izao fotoana izao dia ny manao “Bloc defensive” rehefa ny mpifanandrina amin’ny tena no mahazo ny baolina fa rehefa azon’ny tena kosa ny baolina dia manao “contre attaque” avy hatrany raha azo atao, raha tsy izany dia manatanteraka ny “attaque placée”. Mahavelom-bolo, hoy i Franck, fa efa mampihatra an’io filalaovana baolina kitra maoderina io ihany koa ny Barea ankehitriny any Egypte any ka tsy nahagaga ny nahazoany fandresena nanoloana an’i Burundi omaly ary mbola mety hamiratra koa any amin’ny tohin’ny fifaninanana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.