Sport

Franck Rajaonarisamba Tsy misy ekipa madinika izany intsony miatrika ny CAN


  • Alakamisy 27 Jona 2019

Efa tena mivoatra ny ekipa rehetra miatrika ny CAN Egypte 2019, hoy i Franck Rajaonarisamba mpanazatra nasionaly Malagasy manana ny “Licence A”

 

 

 izay mifandraika amin’ny gradin’ny 3è degré, ka tsy misy azo lazaina fa ekipa madinika izany intsony ireo mpandray anjara ka izany no manahirana an’ireo ekipa lazaina fa vaventy sy manana traikefa any Egypte. Efa mampihatra ny fanaovana baolina kitra maoderina avokoa mantsy izao ny ekipa rehetra amin’izao fotoana izao dia ny manao “Bloc defensive” rehefa ny mpifanandrina amin’ny tena no mahazo ny baolina. Rehefa azon’ny tena kosa ny baolina  dia manao “contre attaque” avy hatrany raha azo atao raha tsy izany dia manatanteraka ny “attaque placée”. Mahavelom-bolo, hoy i Franck, fa efa mampihatra an’io filalaovana baolina kitra maoderina io ihany koa ny Barea ankehitriny any Egypte any  ka tena azo antoka ny hahatafitany any amin’ny dingana manaraka.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT