Sport

France # Croatie Lasa resaka politika


  • Zoma 13 Jolay 2018

Mifantoka tanteraka amin’ny lalao famaranana ny mondial 2018 ho tanterahana ny alahady 15 jolay ho avy izao ny ankamaroan’ny sain’ny Malagasy .Misy ny manana fomba fijery amin’ny lafiny fanatanjahantena fa misy ihany koa no manana fomba fijery politika.

Amin’ny toe-draharaha politika nifandimby teto amintsika mantsy dia maro ny Malagasy no tsy dia mankasitraka ny Frantsay izay azo lazaina fa miditra tanteraka amin’ny politika Malagasy sy ny afrikanina amin’ny ankapobeny. Raha tsy hilaza afa-tsy ny fampiantranoana an’i  Andry Rajoelina tamin’ireny krizy 2009 ireny fotsiny aza. Izany no mahatonga ny Malagasy sasantsasany tsy maka ny ekipa frantsay tsotra  izao. Na iza na iza ekipa mifanandrina aminy dia aleon’ny Malagasy sasany maka ny ekipa hafa. Maro koa no manome tsiny fa ny 90%-n’ny mpilalao Frantsay dia kintana mamiratra avy aty amin'ireo firenena Afrikana nozanahany avokoa. Midika ve izany fa ireo mpilalao baolina kitra avy amin’ny zanatany fahiny dia trandrahan’ny reny Malala arak’izay azony atao ihany koa ? Nahoana tokoa moa no izy irery no firenena manerantany ka ny antsasa-manila mahery amin’ ireo mpilalao amin’ny ekipam-pirennena dia tsy tena avy ao aminy ? Tsy sanatria manakiana na manaratsy fa fandinihina fotsiny ihany. Etsy an-daniny kosa anefa  dia mahafaly fa azo lazaina fa ny ekipam-pirenena Frantsay no ekipa afrikana tafita ary mety hibata ny amboara eran-tany amin’ity 2018 ity.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT