Sport

Fosa juniors Fc sy As Berkane Maroc Eny Vontovorona ny lalao mandroso


  • Zoma 18 Oktobra 2019

Fantatra izao araka ny nanambaran’ireo tompon’andraikitra ao aminy (Sgs Ando Harivola sy ny mpanazatra Titi Rasoanaivo)

niresaka tamin’ny mpanao gazety teny Andraharo omaly alakamisy 17 oktobra 2019 fa ho tontosaina eny amin’ny kianjan’ny Cnaps eny Vontovorona  amin’ny alahady 27  oktobra 2019  ho avy  izao ny lalao mandroso eo amin’ny fifaninanana Playoff - Coupe de la Confédération 2019-2020 hifanandrinan’ny Fosa juniors Fc Madagascar sy ny As Berkane avy any Maroc ka hiantsoan’izy ireo ny fanohanana na tana-maron’ny rehetra araka ny filazan’ny mpanao gazety azy izany, miainga amin’ny mpijery tsotra ka hatramin’ny filoham-pirenena tahaka ny natao tamin’ny Barea fa voninahim-pirenena no harovana. Antony 3 mazava no nahatonga ny safidy tsy maintsy natao, hoy ny fanazavana azo, dia voalohany noho ny resaka zotram-piaramanidina tsy misy andro alatsinainy 28 oktobra avy any Mahajanga tokony hitondra ny vahiny hody, faharoa noho ny harerahan’ireo mpilalao maro vao avy niatrika ny Chan tany Namibie ary farany noho ny Fosa efa zatra kianja sentetika. Nampanantena ny hikarakara fandaminana manokana mikasika an’io lalao io ry zareo Fosa na ara-pitaterana, na ara-pidira eny hatramin’ny fitondrana mpijery baolin’i Mahajanga eny Vontovorona.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT