Sport

Fosa Juniors Boeny Vonona ny handavo ny Aduana Stars Ghana any Mahajanga


  • Zoma 13 Aprily 2018

Ny alarobia 11 aprily 2018 teo no tafaverina any Mahajanga ny ekipan’ny Fosa Juniors Boeny avy niatrika ny lalao mandroson’ny 1/16-ndalana Bis tamin’ny ekipan’ny Aduana Sports tany Ghana tamin’ny alahady 8 aprily lasa teo ka nigoka fandresena 6-1 be izao.

 

 Raha ny resadresaka nifaovana tamin’i Menakely Ruffin mpanazatra an’ity ekipa Malagasy ity tamin’izao fiverenan’izy ireo izao dia nambarany fa vonona ny handavo tanteraka ny ekipan’ny Aduana Stars Ghana ao amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga ny Fosa Juniors Boeny amin’ny lalao miverina hotontosaina ny alarobia 18 aprily ho avy izao. Eo am-pamolavolana paikady matotra hanatanterahana an’izany izahay ankehitriny, hoy ity mpanazatra ity, ary mbola manana herinandro katroka hanamasahana an’izany. Tsy te hampatsiahy ny zava-nisy niainana tamin’ny lalao mandroso tany Ghana teo aho, hoy ihany i Menakely, fa mankarary an-doha ny mieritreritra azy. Ny azo ambara fotsiny aloha dia tena niady tamin’ny fomba rehetra ry zareo Ghaneana tamin’ny nahatonga an’ireny. Hiady hatramin’ny farany koa isika aty Mahajanga ary manantena ny fanohanan’ny mpilalao faha-12 amin’izany.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT