Sport

“For the love of basketball” Fantatra ireo hanao manasa-dalan’ny ‘senior’ lehilahy


  • Alarobia 03 Martsa 2010

Vita ny faran’ny herinandro teo avokoa ireo dingan’ny fifanintsanana rehetra tamin’ilay fifaninanana “for the love of basketball” izay karakarain’ny fikambanana Amis du basketball.

Efa fantatra avokoa ireo ekipa isan-tsokajiny tafita hiatrika ny dingan’ny famaranana izay hatao etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny sabotsy sy alahady izao. Ho an’ny ‘senior’ lehilahy manokana dia nafana tokoa ireo ampahefa-dalana natao ny alahady teo tetsy amin’ny Ste Famille namaritana ireo tarika efatra hiatrika ny manasa-dalana, ka ny Soe hifampitana amin’ny Cospn an-daniny ary ny zandary hifanandrina amin’ny Challenger. Teo amin’ny ampahefa-dalana ny Stade nampiondrika an’ny Asa 107-99, ny zandary nandresy mazava an’ny Assm 102-73, ny Polisy nanilika an’ny Elite GSM 99-75 ary ny Challenger nandavo an’ny Bemiray 106-96. Mbola hotontosaina etsy amin’ny Toby Ratsimandrava anio kosa ireo manasa-dalan’ireo sokajy U20G sy U18G.

Hery Rabe


Ampahefa-dalan’ny Soe (mena) sy Asa
Vokatra hafa
SD : ABB-ASF (43-18)
       ASSM-ASF (41-24)
       ASSM-JCSA (52-51)
U20G : BZA-AMI (36-33)
           SOE-BZA (20-0)
           AMI-SBC (20-0)
U18G : CAI-BCS (64-32)
            BBCM-AST (57-52)
            FBC-BCS (38-28)
            CAI-SOE (50-44)
           ASA-AST (43-40)
U18F : BBCM-ASL (59-28)
           FAN-BBCM (50-29)
           ACA-BBCM (29-21)
           FAN-ASA (51-13)
U16G: CHALL-AST (36-35)
            SOE-CHALL (33-27)
U16F: ASF-SNBC (27-22)
U14F: ACA-SCO (18-13)
           SCO-SNBC (15-11)    
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT