Sport

Foot à 7 Tournoi Fifankatiavana Lasan’ny Fc Tambazotra Ambodirano Ivato ny omby matavy


  • Alarobia 19 Febroary 2020

Tontosa tamin’ny alahady 16 febroary 2020 lasa teo, teny amin’ny kianja Miolaka Mamory Ivato, ny famerenana ny lalao famaranana baolina kitra lalaovin’olona 7 :

 

 

 “Tournoi Fifankatiavana” nokarakarain’ny Hotely Besetroka ao an-tsenan’Ivato ka nifanatrehan’ny ekipan’i Mamory City Fc sy ny Fc Tambazotra Ambodirano Ivato. Ity farany no nibata ny fandresena ka nandroaka ny omby matavy natao amboara rehefa nandavo teo an-jaridainany 3-2 ny Mamory City Fc.  Baolina matin’i Stephanie teo amin’ny minitra faha-20  sy  mbola nampiany iray indray teo amin’ny minitra faha-30 –telopolo  ary nofaranan’i Tahiry teo amin’ny  minitra faha-50 no niantoka an’io fandresen’ny Fc Tambazotra Ambodirano io. Niezaka nanatratra ny isa ihany ny ekipan’i Mamory Fc fa nanao ny tsy ambinina hatramin’ny farany ka dia io 3-2 io no nisarahan’ny roa tonta. Marihana fa tamin’ny tapa-bolana lasa no nanatontosana voalohany an’ity lalao famaranana ity saingy tsy vita hatramin’ny farany noho ny fiakaran’ny mpijery baolina teny ambony kianja. “Tirs au but” 2-2 no nisarahan’ny roa tonta tamin’izay.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT