Sport

« Foot à 7 Tournoi ASTAFIM » Lasan’ny Taureau Namontana ny omby mifahy


  • Talata 14 Aogositra 2018

Ny lalao famaranana ho an’ny sokajy U 20 notontosaina tamin’ny alahady 12 aogositra 2018 teny amin’ny kianja Kmfb Ankadivory kaominina Ampanefy no namarana tanteraka ny “Tournoi Foot à 7”

nokarakarain’ny ASTAFIM “ASan’ny Tanora Antoky ny Fampandrosoana Ifotony eto Madagasikara” andiany faha-25 raha efa tontosa avokoa ny an’ny sokajy U 10, U13, U15 ary U17. Lasan’ny ekipan’ny Taureau Namontana ny omby mifahy natao amboara tamin’izany rehefa resiny tamin’ny 1-0 ny ekipan’ny Fc Andranomena izay notolorana ondry. Efa tamin’ny septambra 2017 no nanomboka ity fifaninanana ity izao nifarana tamin’ny alahady izao. Nambaran’Atoa Ramamonjisoa Fulgence filoha nasionalin’ny ASTAFIM fa ny fampiraisana hina ny tanoran’Antananarivo-Renivohitra sy ny kaominina manodidina, Avaradrano, Atsimondrano no tanjona tamin’ity fifaninanana ity. Nisy ny fifaninanana dihy ho an’ny tanora natao nialoha ity lalao famaranana ity.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT