Sport

Foot ŕ 7 sy ŕ 9 eny Antanandrano Lalao telo no tsy tanteraka tamin’ny alahady


  • Talata 30 Jona 2015

Tsy tanteraka ny lalao 3 tamin’ireo voafaritry ny fandaharan-dalao nalahatry ny Amitié Sportive et Socio-Culturelle Avaradrano tamin’ny andro faha-7

 ny alahady 28 jona 2015 lasa teo. Fifaninanana foot à 07 sy foot à 09  no natao teny amin’ny kianjan’ny club 3FA Avaradrano teny Antanandrano. Ny fihaonana teo amin’ny La Fermata Amboditsiry sy ny Bamaco Belanitra, na teo amin’ny sokajy U 13 na ny U 15 taona dia samy tsy nisy nipoitra teny amin’ny kianja indray ny La Fermata Amboditsiry. Ny iray kosa teo amin’ny sokajy senior dia tara fotoana ny Classic Antanandrano rehefa tokony hihaona tamin’ny El  Bravo Ambohitrarahaba. Mazava loatra fa amin’ny alahady 05 jolay 2015 ho avy izao dia hiditra amin’ny andro faha-8 ity fifaninanana ity.

Voka-dalao :

Sokajy senior : El Bravo (3) – (0) Classic ; Classic (1) – (1) Afcam ; Promotion (0) – (2) Ifc ; Promotion (1) – (2) Atm ; Fc Famille (0) – (4) Taratra ; Sokajy veteran : Lma (3) – (1) Ankoay ; Tanc (3) – (3) ; Ankoay (1) – (1) Fcm ; Smm (1) – (2) Cousin ; Ravinala (1) – (2) Fcvb ; 3fa (4) – (1) Ravinala ;  Sokajy 15 taona : Fermata (0) – (3) Bamaco ; Sokajy 13 taona : Bamaco (3) – (0) Fermata  ;  Ezama (0) – (2)  Amtm ;  Kambana (1) – (2) Petit Garage : Sokajy 10taona : Ezama (1) – (1) Capri ;  3fa (1) – (0)  Kambana.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT