Sport

Foot à 7 sy à 9 andiany faha-XVIII Famaranana teny Antanandrano


  • Talata 29 Aogositra 2017

Lavo ny andrarezina, izay no azo hamitinana ny ampahany tamin'ny lalao famaranana Foot à 07 sy Foot à 09 andiany faha-XVIII nokarakarain'ny Amitie Sportive et Socio-Culturelle Avaradrano, ho an'ny sokajy 10 , 13 , 15 , 17 taona ary ny senior sy veteran ary ny vehivavy,

 

 teny amin'ny kianjan'ny club 3FA Avaradrano teny Antanandrano ny alahady 27 aogositra 2017 lasa teo. Tsy nipoaka teto ny 12 Bombes Ambohitrarahaba tamin'ity lalao famaranana ho an'ny senior ity fa hain'ny Bta Andrononobe ny nanararaotra ny tsy fahatongavan'ireo mpilalao sasany niatrika lalao ka nampitsefotra azy ireo. Tsy io lalao ho an'ny sokajy senior io ihany no nampitsanga-nitoetra ary nampitaintaina ny mpijery tonga maro be teny an-toerana fa teo ihany koa ny lalao famaranana ho an'ny sokajy zandriny sy ny ankatokiny famaranana ho an'ny sokajy véteran izay samy tontosa an-tsakany sy an-davany. Notolorana ondry iray avy moa ny voalohany tamin'ireo sokajy zandriny ireo sy ny laharana faharoa teo amin'ny sokajy senior raha notolorana vola vidina Omby miaraka amin'ny kalisy kosa ny Bta Andrononobe izay voalohany teo amin'ny sokajy senior. Hisento kely moa ity fifaninanana amin’ity faran'ny herinandro ity fa maro no hiatrika ny fifaninanana Dandjy- 3fa any mahajanga. Toy izao irao vokatra azo :

 

1/2-famaranana véteran : Amtm Ambohitrarahaba 01 – 03 Ravinala Ambatomitsangana (tirs au but)

 

Famaranana U 10-Ersa Antanandrano 0 - 2 Ajax Androhibe

U 13-Ersa Antandrano 0 - 1 Fcbnb Belanitra

U 15-Ravinala Ambaomitsangana 3 2  3fa Avaradrano

U 17-Ersa Antanandrano 1 - 0 Asm Ambatomainty

 

Sénior-Andrononobe 3-2 12 Bombes Ambohitrarahaba (tirs au but)  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT