Sport

“Foot à 7 Gégé Bosco” teny Saropody Raikitra ny fitiliana taninketsan’ny baolina kitra


  • Talata 29 Oktobra 2019

Nanomboka tamin’ny alahady 27 oktobra tolakandro teo ka haharitra hatramin'ny faha-24 novambra 2019 izao ny fifaninanana “Foot à 7 Gégé Bosco”

 

 

filohan’ny Club Uscafoot sy ny mpikarakara miaraka aminy mba hitiliana taniketsan'ny baolina kitra manerana ny boriborintany 6 eto Antananarivo Renivohitra. Ekipa 32 no fantatra fa mandray anjara amin’ny hetsika ka ny kianja eny Saropody Androndrakely ao ambadiky ny “Station Jovenna” no toerana nofinidin’izy ireo hanatanterahana ny fifanintsanana fa ireo lalao ankatoky ny famaranana sy ny lalao famaranana kosa dia hotanterahina eo amin’ny kianjan’i Mahamasina amin’io 24 novambra 2019 io. Marihana fa hotolorana omby iray izay tafavoaka  ho tompondaka amin’ity hetsika ity, hahazo ondry kosa ny ekipa tompondaka lefitra, “Jeux de maillot” no homena ny ekipa mahazo ny laharana faha-3 ary baolina kitra filalaovana kosa no homena ny ekipa hitana ny laharana faha-4.

Vokatry ny andro voalohany tamin’io alahady 27 oktobra io : Nandresy an’Andrefanambohijanahary 2-0 ny ekipan’Androndra.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT