Medaly volamena sivy no azo tamin’ny andro voalohan’ny fifaninanana fibatana fonjamby ny talata teo tao amin’ny kianja mitafon’i Moufia St Denis
. Mbola niampy volafotsy dimy sy alimo iray. Voatazon’Andriatsitohaina Eric Herman ny anarambonihaitry ny sokajy -56kg ka nandrombahany ny “arraché” izay nahabatany 98kg sy ny “épaulé-jeté” (130kg). Novereziny lavitra ilay maorisianina nahazo ny volafotsy izay tsy nahavita afa-tsy 104kg. Nazava, araka izany, ny nandrombahan’i Eric indray ny volamena tamin’ny « total olympique”. Namiratra ary niravaka medaly volamena telo ihany koa Andriantsitohaina Tojonirina Alain tamin’ny sokajy -62kg lehilahy. Lasany ny volamenan’ny « arraché” (105kg) sy ny “épaulé-jeté” (150kg) ary nazava ho azy ny “total olympique” (270kg). Lah-2 ilay seiseloa Rick Yves Confiace izay nahavita TO: 235kg. Nohavaozin’i Tojo ihany koa ny zava-bita tsara indrindran’ny lalaon’ny nosy amin’ny “arraché” 120kg sy “épaulé-jeté” 150kg amin’io sokajy io.
Gasy miloko Maorisianina
Nahazo ny medaly volamenan’ny -48kg vehivavy tamin’ny “épaulé-jeté” i Andrianantenaina Sandratra Harilala (75kg) ary lasan-dRandafisoa Rosina ny alimo (72kg). Ity farany kosa no nandrombaka ny volamenan’ny « arraché” tamin’io sokajy io ka 60kg no voabatany ary i Sandratra no niravaka ny volafotsy. Ankoatra izay dia mbola lasan’i Rosina koa ny volamenan’ny « total olympique» ka nahabatany 132kg. Nisongadina tamin’ny vehivavy koa ilay malagasy mizaka zom-pirenena maorisianina izay nandroaka volamena maro dia Ranaivosoa Marie. Lasany ny volamenan’ny sokajy -53kg vehivavy ka 82kg no vitany tamin’ny “arraché”. Nahazo ny volafotsy Andriamitantsoa nahabata 60kg. Tsy namelan’i Marie koa ny volamenan’ny « épaulé-jeté » (105kg). Ny volafotsy lasan’Andriamitantsoa Sabrina (75kg). Mbola lasan’io malagasy miloko maorisianina io koa ny volamenan’ny “total olympique” (187kg) ary azon’i Sabrina ny volafotsy (135kg). Mbola mitohy ny tantaran’ny fahombizantsika malagasy amin’ity kibatabata ity.
Rasanda Serge
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.