Sport

Foibe fanofanana nasionalin’ny baolina kitra Carion Mpanazatra tena avo lenta 27 no navoaka ofisialy omaly


  • Sabotsy 17 Febroary 2018

Tsy mitsahatra ny mikaroka ny fanatsarana ny kalitaon’ny baolina kitra eto Madagasikara ankehitriny ny FMF tarihan’ny filohany, Doda Andriamiasasoa, ka nangataka tamin’ny FIFA indray ny hanatanterahana fampiofanana mpanazatra tena avo lenta eto Madagasikara.

Mpanazatra Malagasy manana ny diplaoma “Niveau 2” sy mpanazatra vitsivitsy misahana ny baolina kitra vehivavy niisa 27 (vehivavy 3) no indray navoaka tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny foibe fiofanana baolina kitra eny Carion omaly zoma 16 febroary 2018 rehefa avy nanaraka fiofananana notarihan’ilay manampahaizana manokana nalefan’ny FIFA isahana izany, Atoa Frans Masson, nandritra ny herinandro. Ny pitsopitsony ara-teknika amin’ny “detail” nojerena ifotony teny an-kianja no fototr’izany fiofanana izany  toy ilay teknika “dedoublement” malaza eran-tany ankehitriny sy ny “zône presse” izay samy fototry ny fivoaran’ny  baolina kitra maoderina amin’izao fotoana izao. Maromaro ireo mpanazatra Malagasy fanta-daza nanaraka an’ity fiofanana avo lenta ity toa an-dry Franck Rajaonarisamba, Raux Auguste, Titi Rasoanaivo,  Popol ary Zaka Be sns… Hijery ny zava-misy any amin’n y ligim-paritry ny baolina kitra niaviany avy izy ireo ka hanolotra fandaharan’asa ho tanterahina any amin’ny DTN, Debon Jean François, mba hahafahan’izy ireo mampita ny traikefa norantoviny amin’ireo mpanazatra zandry aty afara. Marihana fa anisan’ny nanolotra ny sertifika fitozoana tamin’ny fiofanana ho azy 27 mianadahy ireto ny solnotenan’ny SG-n’ny Fmf, Elly Razafinimanga.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT