Sport

Foaraben’ny tsipy kanetibe Mankany la Réunion ny ekipa Boss mpandresy


  • Alarobia 14 Oktobra 2015

Haresaka indray etsy amin’ny CBT Mahamasina ny faran’ny herinandro izao handray ny foaraben’ny tsipy kanetibe izay hatao ny 17-18 oktobra. Karazam-pifaninanana dimy samihafa no voalahatra amin’io ahitana ny an’olon-telo miaraka, olon-droa Boss iarahan’ny deba sy mpitifitra iray, olon-droa lahy sy vavy miaraka, olon-droa « senior » ary tena hampiavaka ity indray mitoraka ity ny fifaninanana « pointe ».

 

 Maro be koa ireo loka miandry ny mpandresy. Amboara sy subwoofers no hatolotra ho an’ny mpandresy amin’ny olon-telo miaraka. Tena mahaliana sy hiadian’ny maro amin’io koa ny tapakilan’ny fiaramanidina Tana-Réunion-Tana ho an’ny olondroa Boss. Izay mandresy amin’io moa dia hisolotena an’i Madagasikara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena hatao any St Paul amin’ny volana novambra izao. Amboara sy antsasaky ny saram-pandraisana anjara kosa no homena ny mpandresin’ny olon-droa « senior », amboara sy kanetibe marika Obut ho an’ny mpandresy amin’ny fifaninanana « pointe » ary amboara sy fahitalavitra ho an’ny olon-droa lahy sy vavy miaraka. Tompomarika amin’ny fikarakarana ity hetsika ity moa ny fikambanana Ny Hoaviko miaraka amin’ilay mpilalao tsy zoviana amin’ny tontolo, Andriamaharo Patrick  « Patou ».

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT