Sport

Foara Kanton’i Gasikara andiany voalohany Hanomboka rahampitso etsy Antaninarenina


  • Talata 21 Mey 2019

Hanandratana ny vita Malagasy dia hotanterahina etsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina mandritra ny 5 andro (21-25 mey 2019) ny varotra fampirantiana Kanton’i Gasikara andiany voalohany karakarain’ny Chez’Elles Madagascar tarihan’ny filohany, Ratrimoson Mihanta Stéphanie,

 

 

 

eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny indostria sy ny varotra ary ny asa tanana  Malagasy sy ny Ortana « Office du Tourisme Antananarivo ». Tranoheva 30 mahery kely no hampiranty sy hivarotra ny asa tanana vita Malagasy toy ny zaitra, sokitra, firavaka … hatramin’ny sakafo Malagasy, manaraka kalitao avo lenta amin’ity andiany voalohany eto Antananarivo ity.  Kasaina hatao isaky ny 3 volana ny hetsika, hoy Rtoa Mihanta Stéphanie, ary hasandrahaka  manerana an’i  Madagasikara any aoriana. Miankian amintsika Malagasy  ihany ny fampiroboroboana ny asa tanana Malagasy, hoy ny Tale jeneralin’ny asa tanana, Audace  Kaoaly, tamin’ny fitafana tamin’ny mpanao gazety tetsy Antaninarenina omaly.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT