Sport

FMF Madagascar sy Fedofutbol Repoblika Dominicaine Hanendren’ny FIFA « Comités de normalisation » avy


  • Talata 13 Novambra 2018

Nivory tetsy Isoraka foiben’ny FMF omaly alatsinany 12 novambra 2018 ny CE « Comité Executif » sy CEN « Comité Electorale Nationale » an’ny FMF Malagasy.

 

 

 

 Namoaka fanapahan-kevitra izy ireo fa hotontosaina any Mahajanga amin’ny 24 novambra 2018 izao ny AGE 2018 ny FMF hanatanterahana ny fifidianana izay ho filoha vaovaon’ity rafitra ity. Etsy an-kilany, namoaka fanapahan-kevitra ny hanendry « Comités de normalisation »  ho an’ny FEDOFUTBOL « Fédérations de Foot-ball de République dominicaine » sy ny FMF « Federation Malgache de Football » araka ny andininy faha-14, al. 1a sy ny andininy faha-8, al. 2 amin’ny sata mifehy ny  FIFA taorian’ny fivoriana nataony omaly alatsinainy 12 novambra ihany tany Zurich ny Birao Filankevitry ny FIFA. Ho an’i Madagasikara dia mazava fa ny tsy fanarahana ny fitsipiky ny FIFA teo amin’ny fanatanterahana ny fizotran’ny saika hanatanterahana fifidianana filohan’ny FMF farany teo no antony. Ny mpikambana ao anatiny dia hotendren’ireo misionera avy amin’ny FIFA sy CAF miaraka izay ho avy tsy ho ela eto Madagasikara. Ny andraikitra hosahanin’ity « Comité de normalisation eto Madagasikara ity dia ny hitantana ny raharahan’ny FMF,  hamantatra an’ireo delege ara-dalàna ao amin’ny fivoriamben’ny FMF ary hikarakara ny fifidianana ao amin’ny FMF. Hifarana ny 12 mey 2019 ny fe-potoana hiasan’izy ireo farafahatarany ary izy ireo dia tsy mahazo mirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana rehetra misy ao amin’ny FMF.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT