Sport

FMF-AJESAIA Vola aloha izay vao mivoaka ny “Certificat de transfert”


  • Alarobia 19 Mey 2010


Tsy nivalona fa mbola nitohy ny tantara mikasika ilay lalao miverin’ny AJESAIA sy ny USS Tamponnaise tetsy Mahamasina, tafiditra tamin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika ho an’ireo klioba, volana vitsy lasa izay, izay niafara tamin’ny disadisa noho ny toraka tavoahangy nataon’ireo mpijery. Tsiahivina araka ny nanambaran’ny filoha lefitry ny federasiona, Andriamiasasoa Doda tamin’ireny fotoana ireny, raha mbola tsy nilatsaka akory ny sazy ary mbola namafisin’ity farany tamin’ny fampahalalam-baovao maro fa “ny federasiona no mizaka sy manefa ny sazy na dia ny klioba aza no tompomarika tamin’ny fikarakarana ireny lalao ireny”. Heno anefa fa “notakian’ny federasiona amin’ny AJESAIA indray ny fanefana io sazy izay mitentina 5000 dolara io raha tsy izany tsy mahazo ny taratasy fanomezan-dalana hifindra klioba ireo mpilalaon’Antaninkatsaka handeha hila ravinahitra any ivelany”. Ny sabotsy teo no fantatra fa nanefa ny antsasak’io vola io ity klioba tompondakan’i Madagasikara ity. Tsy maintsy aloa afaka tapa-bolana indray farafahatarany ny ampahany ambiny. Lasa soa aman-tsara ihany moa ireo mpilalaon’ny AJESAIA roa lahy dia i Sedera any amin’ny klioban’i Petite Ile sy Bolida any amin’ny St Paul, samy any La Réunion. Tsy mety hilamina mihitsy ity kitra ity raha mba somary efa nangingina kely herinandro vitsy izay ireo disadisa samihafa.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT