Sport

Fizarana kilalao Nandiso fanantenana ny ankizin’Ivato


  • Alakamisy 21 Desambra 2017

Vory maro ny ankizin’Ivato efa ho 10 000 satria hoe ho avy ny vadin'ny filoham-pirenena Rtoa Voahangy Rajaonarimampianina hampifaly ny kilonga amin'ny alalan'ny Okalou.

Nahasondriana ny mason'ny ankizy ireo « Mascotte » vitsivitsy namalifalian’ity farany ny ankizy. Betsaka no nanantena kilalao satria ny Renin'ny firenena no nanasa. Tsy nipoitra anefa ny vadin'ny filoham-pirenena. Tsy nianatra mihitsy ny mpianatra tamin’ny sekoly sasany namonjy ilay fotoana. Rano sy biskoitra no nozaraina ka betsaka no nalahelo fa niandry fanomezana maro hafa. Maro ireo nanantena « surprise » kilalao sy zavatra betsaka no hozaraina amin'ny maha vadin'ny filoham-pirenena nikarakara ny hetsika kanefa dia diso fanantenana, nefa nisy avy lavitra nandeha an-tongotra, niaritra ny hainandro sy hetaheta. Niteraka fimenomenomana tamin’ny fesiboky ity tranga ity omaly. Nasiaka mihitsy ny ray aman-dreny sasany tamin’ny fanehoan-keviny. Marina fa tsy nampanantena kilalao hozaraina ny ankizy izy ireo saingy efa nanantena “surprise” goavana ny ankizy matoa 5000 no nasaina 10 000 no tonga.

Nangonin’i Jean D.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT