Sport

Fizaram-bondrona-CAN 2019 Tafaraka amin’i Nigeria i Madagasikara


  • Sabotsy 13 Aprily 2019

Tontosa omaly tany Egypte ny antsapaka amin’ny fizaram-bondrona ho an’ny CAN 2019 .Ao amin’ny vondrona B no misy ny Barea, ekipam-pirenena Malagasy izay tafaraka amin’i Nigeria, Guinée ary i Burundi.

 

I Nigeria sy Guinée no sokajiana fa mafy ato anatin’ity vondrona ity. Sambany handray anjara amin’ny CAN ny Barea ekipam-pirenena Malagasy izay efa manomboka manana ny lazany aty Afrika taorian’ny zava-bitany ary hifandona amin’ny Super Eagles Nizerianina izany. Ho an’ny vondrona A dia ahitana an’i Egypte, RD Congo, Ouganda, Zimbabwe. Ao amin’ny vondrona C i Senegal, Algerie, Kenya, Tanzanie.    Ny vondrona D kosa dia misy an’i Maroc, Cote D’Ivoire, Afrika Atsimo ary Namibie. Ny vondrona E dia misy an’i Tunisie, Mali, Maurtanie, Angola.  Ao amin’ny vondrona F kosa no hifampitady i Cameroun, Ghana, Benin ary Guinée Bisau.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT