Sport

Fivorian’ny komity mpanatanteraky ny FMF “Misy olon-tsotra Malagasy sy vazaha manatrika”


  • Alarobia 02 Martsa 2022

Vao nisy federasionin’ny baolina kitra miisa 2 ny 24 febroary 2022 teo no nandatsahan’ny federasionina iraisampirenena na FIFA sazy,

 hoy ny mpisolovava sady mpitantana klioba, Christian Raoelina, nampahatsiahy omaly. Ny federasionina kenianina sy zinbaboeianina izany noho ny fidiran’ny fitondram-panjakana amin’ny raharaha, hoy izy. Sazy an-taonany maro io. Ny eto ny iray dia hoe fitsabahan’olon-tsotra amin’ny federasionina Malagasy nefa tokony ny FMF sy ny FIFA no mifampitantana. Misy antokon’olon-tsotra Malagasy sy vazaha tafiditra anaty FMF. Nivory komity mpanatanteraka Malagasy sisa tavela. Misy orinasa tsotra miara-mivory aminy. Zava-doza izany. Izay no naha voailika mandritry ny fotoana voafetra ny federasionina kenianina. Na filohan’ny repoblika, praiminisitra, minisitra aza tsy mahazo manoratra any amin’ny FIFA mombana raharaha mahakasika ny FMF. Ny komity mpanatanteraka amin’ny alalan’ny sekretera jeneraly no afaka mandefa taratasy any. Ny fitsarana ambaratonga voalohany Malagasy izao no manery ny SG hanao famindram-pahefana. Ahoana no ahafahany manao izany? Raharaham-pirenena ity baolina kitra ity fa tsy an’olom-bitsy. Any amin’ny “comité d’arbitrage” any Soisa, izay fitsarana mitokana, no hitondrana raharaha mikasika ny federasionina fa tsy fitsarana ady madio na fitsarana tsotra eto Madagasikara, hoy hatrany ity mpisolovava ity. Tsy maintsy manaraka ny lalan’ny FIFA ianao vao afaka manintsana mpitantana federasionina sy ligy izany, hoy izy.
J. Mirija
Legende: Miankina amin’ny FIFA tanteraka ny hoavy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT