Sport

Fivoriana tsy ara-potoana nangatahan'ireo ligim-paritry Miandry izay hevitry ny Komity mpanatanteraka


  • Alarobia 20 Mey 2020

Raha nanontaniana nivantana tamin'ny resadresaka an-telefaonina nifanaovana tamin'ny Rtoa Sg-n'ny FMF

 

 

 

 

"Federasion'ny Baolina Kitra Malagasy" mikasika an'ilay resaka fangatahan'ireo filohana ligim-paritry ny baolina kitra eto Madagasikara dia nazava ny valiteny nomeny fa andraikitry ny CE na Komity mpanatanteraky ny FMF no mamaly an'izany fangatahana izany, hoy izy, fa ny miantso azy ireo no ataon'ny eto anivon'ny Federasiona rehefa ankatoavin'ny CE ny hanaovana an'izany. Amin'izao fotoana izao aloha, hoy hatrany ity tompon'andraikitra ity, dia mbola ao anatin'ny hamehana ara-pahasalamana izay mandrara ny fanatanterahana hetsika ara-panatanjahantena tsy an-kanavaka isika ka mbola mifantoka amin'ny ady amin'ny tsimokaretina covid-19 ny sain'ny rehetra. Nambaran'ity tompon'andraikitra misahana ny fitantanana vonjimaika ny fampandehanan-draharaha ao amin'ny FMF ity ihany koa fa tsy mbola misy resaka hoe fanoloana na tsia ny filohan'ny Federasiona am-perinasa maneloelo izany eo anivon'ity rafitra ity ankehitriny.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT