Sport

Fivoriamben’ny FMF Tokony hamaritra ny tetiandrom-pifidianana


  • Alakamisy 02 Martsa 2023

Hotontosaina ny sabotsy 4 martsa izao any Mantasoa ny fivoriambe ara-potoanan’ny Federasiona Malagasy momba ny baolina kitra na ny FMF.

Ho vory lanona eny izany ireo ligy 22 manerana ny nosy ary an-kavoriana tsy misy ohatra izao no handinihana ny ho avin'ity taranja ity. Tsy afaka manapaka ny zava-dehibe anefa satria efa lany daty daholo na ny ligy na ireo komity mpanantanteraka. Efa herintaona mahery izao no tapitra ny fotoam-piasanan'ireo mitondra amin'izao fotoana. Noho izany dia tokony hifantoka amin'ny tetiandrom-pifidianana ny resaka. Tsy misy azo hatao fa na dia izany aza dia tokony hofaritana koa ny andraikitry ny Tale Teknika Nasionaly sy ny mpanazatra Nicolas Dupuis. Raha ny marina dia tokony hojerena manokana izay ho avin’ity vazaha be ity izay efa nisoran-tena ho DTN talohan'ny nanendrena an'i Rado Rasoanaivo. Mba tsy hahavoasazy antsika dia tokony takiana aminy ihany koa ireo diplaoma maha mpanazatra misahana ny ekipam-pirenena an’i Nicolas Dupuis. Tena resabe mantsy hatreto ny niatombohany tamin'ity baolina kitra ity raha niasa tany Yseure izy. Ny vaovao nolazain'ny tompon'andraikitra iray fahiny tao amin'ny Orange Pro League aza dia nilaza hoe mpampianatra fanantanjahatena ingahy Nicolas Dupuis. Fotoana ihany koa izany io any Mantasoa io hiarovany ny tenany. Rehefa tsy ho izay dia aleo miala!
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT