Sport

Fivoriamben’ny FMF Nahazo fankatoavana i Doda Andriamiasasoa


  • Alatsinainy 04 Jona 2018

Nanatanteraka AGO na Fivoriambe ara-potoana 2017 sy AGE na Fivoriambe tsy ara-potoana niaraka, teny Mandrosoa Ivato tamin’ny sabotsy 02 jona 2018, ny FMF na Federasiona Malagasin’ny Baolina Kitra niaraka tamin’ireo filohana ligim-paritry ny baolina kitra sy Sg-ny miisa 22 manerana ny nosy eo amin’ity taranja ity ary natrehan’ny solontenan’ny ministeran’ny fanatanjahantena mpanamarina ny fanarahan-dalàna rehetra sy ny solontenan’ny Com. Rehefa notaterin’ny filohan’ny FMF,

 

 Doda Andriamiasasoa, ny tatitra moraly sy teknika ary ara-moraly nandritra ny fitantanany an’ity FMF ity dia nankatoavin’ny mpivory izany ka nahazo «  Quittus » avy amin’ireo ligy 22 izy tamin’izany. Fanolorana ny anaran’ireo « Commission electorale » vaovao miisa 5 miaraka amin’ny mpisolo toerana 3 sy ny « Commission de recours » vaovao ihany koa miisa 3 miaraka amin’ny mpisolo toerana 2 no nentin’ny FMF tao amin’ny AGE natao avy eo ka mbola nankatoavin’ny maro an’isa tamin’ireo ligy 19 afa-natrika an’izany ny fanolorana azy ireo (Matsiatra Ambony sy V7V ary Bongolava no tsy nahazo nanatrika). Hivory tsy ho ela ity Cne vaovao ity ka hanapaka ny daty hanatanterahana an’ireo fifidianana ligim-paritra mbola tsy vita ary ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona vaovao miainga amin’ny lalàm-pifidianana efa misy. Etsy an-kilan’izany dia mitohy ny fikarakaran’ny Fmf ny Barea miatrika ny lalao Cosafa Cup sy manomana ny Can 2019. Mitohy ihany koa ny fikarakarany ny fifaninanana nasionaly vehivavy DEFF 1 ary ho avy koa ny fikarakarany ny Thb Champions League Malagasy sy ny Telma Coupe de Madagascar 2018.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT