Sport

Fivoriamben’ny FMBB Nankatoavin’ireo ligy 19 ny « activité » 2018


  • Alatsinainy 10 Desambra 2018

Tontosa tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina tamin’ny zoma 7 sy sabotsy 9 desambra 2018 teo ny AG FMBB « Fivoriamben’ny Federasion’ny taranja basikety Malagasy ».

 

 

Ligim-paritry ny basikety 19 amin’ny 21 misy no tonga nanatrika izany izay nanana anjara fitenenana tsirairay avy nialoha ny nankatoavan’izy rehetra ny fanatontosana ny « activité  2018 ». Tapaka sy nolaniana tao anatin’ity fivoriambe 2018 ity koa ireto zavatra manaraka ireto :

- Mihena ho 10 ny ekipa mpandray anjara ny N1A sokajy vehivavy manomboka ny 2020,mbola ho 12 kosa izy ny 2019 ka 5 no ho midina N1B ary 3 no ho miakatra N1A

-15 ka hatramin'ny 20 taona ny salan-taona mandoa ny droit de formation raha 15 ka hatramin'ny 19 izy teo aloha

-Atoa Alain Ramanarivo no lany hisolo toerana ny filoha lefitry ny FMBB raha banga io toerana io nanomboka ny volana jona

-Nosarahana ny fifaninanam-pirenena sokajy veteran sy ny U14 manomboka ny taom-pilalaovana 2019

-Navoaka tamin’io andro io ihany koa ny “Calendrier FMBB 2019” miainga amin’ny  fifaninanana “Coupe du Président 2019” ka miafara amin’ny AGO FMBB amin’ny volana desambra 2019.

Ntsoavina Evariste                                              

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT