Sport

Fividianana mpilalao kalaza Handany 515 tapitrisa Euros ny Real de Madrid


  • Alatsinainy 06 Mey 2019

Ao anatin’ny famerenana ny herin’ny Klioba Espaniola Real de Madrid ny mpanazatra Zinedine Zidane ankehitriny, ary manomboka miarin-doha. Raraka teo amin’ny ampahavalon-dalana teo amin’ny

 

“Champion’s league” any Eoropa rehefa nandihizan’ny boaikelin’ny Ajax Amsterdam tamin’ny isa 4-1 tao Santiago Bernabeu ny 6 martsa na nandresy 2-1 aza tamin’ny lalao mandroso. Nanakoako ny vaovao momba ny fiverenan’i Zidane hanazatra ny Real ny 10 martsa 2019 teo rehefa niala tao nanomboka ny 31 mey 2018. Ankehitriny, manodidina ny 515 tapitrisa Euros ny tetibola voalaza fa hividianana mpilalao malaza, toa an’ilay Brezilianina Eder Militao (FC Porto) izay efa vita ny fifanarahana, ilay Belza fanta-daza Eden Hazard (Chelsea) izay anisan’ny fifindrana hanan-tantara, ka raha tsy misy ny fiovana dia ny 12 mey izao no ho fantatra amin’ny fomba ofisialy, ka 100 tapitrisa Euros eo ny sandany. Eo ihany koa ilay mpilalao Serbe Luka Jovic nilalao tao amin’ny Klioba Alema Frankfurt. I Christian Eriksen (Tottenham), Paul Pogba (Manchester United), dia mety ho lasan’ny Real ihany koa.



 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT