Fiverenan’i John Baggio

Hitondra ainga vao ho an’ny fanafihan’ny Barea


  • Alakamisy 13 Martsa 2025

10 taona aty aoriana, voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra

indray ilay lohalaharana John Baggio na John Baggio Rakotonomenjanahary. Heverina fa hitondra ainga vao ho an’ny fanafihan’ny Barea ny tenany ao anatin’izao faha 33 taonany izao. Mirefy 1,58 metatra, 52kg ny lehilahy, raha ny fampahafantarana voaray farany momba azy. Isan’ireo lohalaharana manana ny toerany eo anivon’ny tompondakan’i Thailande ho an’ny divizionina voalohany na ny Thai league moa izany. Eo amin’ny laharana faha 11 kosa amin’izao fotoana izao no misy ny ekipany dia ny Sukhothai FC, izany hoe mbola azo inoana ny hijanonany ao anatin’izay fifaninanam-pirenena lehibe indrindra ao an-toerana izay amin’ny taom-pilalaovana manaraka. Etsy ankilany dia tena mbola mifaninana ho isan’ireo mpamono baolina betsaka indrindra ao anaty fifaninanana kosa amin’izao fotoana izao i Baggio sy ny hakingany.
Nangonin’i J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT