Sport

Fiverenan’i Dax ao amin’ny Barea Naneho ny hafaliany ny mpanazatra Dupuis


  • Zoma 17 Mey 2019

Ny 10 jona izao no hampahafantarana amin’ny fomba ofisialy ireo 23 mirahalahy handrafitra farany ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barea ho any Egypta hiatrika ny CAN 2019.

 

Anisan’ny nisongadina tamin’ny fanehoan-kevitry ny mpanazatra, Nicolas Dupuis, mikasika izany omaly ny filazany fa nanohina azy ny fahafahan’ilay irakiraka afovoany milalao atsy Afrika atsimo, Andriamirado Andrianarimanana na i Dax, indray hilalao ao anaty ekipam-pirenena Malagasy. Isaorako ny ekipan’ny Fosa Junior, izay klioba nilalaovany teto Madagasikara fa tena ilaina be ao anatin’ny Barean’i Madagasikara ny teknika sy taktikan’ity andrin’ny Kaizer Chief ity. Fanambarana izay toa manatsidika sahady fa azo antoka ho ao anatin’ireo mpilalao 23 hofantenan’i Nicolas Dupuis i Dax.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT