Sport

Fitsirihan’ny CAF ny Kianja Barea 2 andro mialohan’ny lalao no natao


  • Alarobia 01 Septambra 2021

Tontosa omaly, 2 andro mialohan’ny fihaonan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra sy ny ekipam-pirenen’i Bénin eo an-toerana,

ny fitsidihana sy fanamarinana farany nataon'ny kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra teo amin'ny kianja Barea Mahamasina. Nilamina ary nahazoana akony mihabo ny fitsidihana amin'ny ankapobeny ka miandry ny tohiny am-pitoniana isika, hoy ny fampitam-baovao. Nisy tamin'ireo nanao ny fitsidihina no efa nandalo teto Madagasikara ary nampiasa ny kianja teo aloha, nialohan'ny tetikasa nanavaozana azy, ka gaga sy niaiky ny fanovana lehibe nentina teo an-toerana. Naneho fankasitrahana manokana ihany koa izy ireo amin'ny fahavononana sy finiavan'ny fanjakana malagasy ho fanohanana sy fanandratana ny fanatanjahantena, hoy hatrany ny fampitam-baovao avy amin’ireo tompon’andraikitra nanao ny tetikasa momba ity kianja ity. Na izany na tsy izany aza moa dia ny CAF ihany no tompon’ny teny farany mikasika ny tokony na tsy tokony hanomezana alalana ity kianja ity handray ny fihaonan’ny Barea sy ry zareo beninoa. Raha izao tokoa moa izany no sanatrian’izany ka tsy azo izay atao hoe “homologation” izay dia inona no azo atao ao anatin’izao fotoana atomotra izao? Tsy tokony ho andro maromaro mialohan’ny lalao na am-bolana mihitsy aza ve no tokony efa natao izay fitsirihana izay? Irariana na izany aza mba tsy hisy ny sampona ary mba hahita fandresena miezinezina ny ekipam-pirenenantsika amin’io lalao rahampitso io fa dia hafa mihitsy aloha ny eto an-tanàna.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT