Fitsirihana sy fankatoavana ny kianja Barea

Tsy voahaja ny 75 andro, ahiana mbola ho voatsipaka


  • Zoma 14 Febroary 2025

Tapitra anio ny fitsirihan’ireo teknisianina roa avy amin’ny CAF sy avy amin’ny FIFA,

nitsirika ny kianjan’ny Barea Mahamasina. Nanomboka ny alarobia teo ny fitsirihana, ary mifarana anio, ka hanainga ary hanao tatitra any amin’ny CAF ireo iraka. Aorian’izay vao mivoaka ny fankatoavana na tsia. « Vitantsika tamin’ny 2021 ny kianja ara-dalàna. Ny CAF no nanao ny antoka sy fiarovana na « sureté » sy « sécurité ». Afa-po tanteraka izy ireo raha ny fijeriko azy, ny Fanjakana dia efa niezaka nanatontosa ireo teboka 9, tsy lojika raha tsy mankatoa ny CAF », hoy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana omaly, hita tamin’ny haino aman-jery. Ny volana martsa izao moa no handray hiatrika lalao 2 ny Barea, tafiditra ao anaty fifanintsanan’ny « Mondial 2026 », ka ny 17 martsa eo no hanafika any Centrafrique, raha toa ka ny 25 martsa no handray an’i Ghana izay andrandraina ny hanaovana azy ao Mahamasina. Raha ny làlanan’ny CAF anefa, ny fangatahana fitsirihana kianja dia tsy maintsy atolotra farafahakeliny 75 andro alohan’ny lalao izay kasaina hampiasana ilay kianja. Midika io fa tsy feno io fepetra 75 andro io noho ny tsy fahamatoran’ny mpitondra ka hisy ve ny fahagagana ? Nitady làlana ambanin’ny tany ny Fitondrana mba hamahana ny olana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT