Sport

Fitsinjovana ny fanatanjahantena Mahery am-boalohany ny fanjakana


  • Alakamisy 11 Aogositra 2016

Manana mpanao fanatanjahantena maro efa nitondra avo ny voninahi-pirenena i Madagasikara saingy toy ny afo mololo ny fitsinjovan’ny fanjakana ireny olona ireny.

      Any am-piandohana ihany no misy ny fanolorana mari-pankasitrahana izay tsy araky ny zava-bitan’ny olona iray izay nitondra avo ny ny fanevan’I Madagasikara tany ivelany akory. Maro ireo atleta, indrindra fa ny eo amin’ny taranjan’olon-tokana, no tsy re tsaika intsony kanefa fanta-daza teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, toa an-dry Séverain sy ry Lavakely izay efa samy nibata ny tompondaka eran-tany teo amin’ny taranja haiady. Tany am-piandohana ihany no nindraindraina ireny olona ireny fa taty aoriana dia miverina amin’ny fiainana mahazatra azy ihany noho tsy firaharahan’ny fanjakana. Nanamarika ny firenena sy ny fiandrianam-pirenena ny fananana mpanao fanatanjahantena mamiratra. Tsy izany anefa no zava-misy eto amintsika. Ho an’ny firenena efa fanta-daza, zava-dehibe ny fitsinjovana ny mpanao fanatanjantena toy ny fotodrafitrasa arifomba sy iraisana ho an’ny karazam-panatanjahatena rehetra mba hisian’ny firaisan-tsaina, fikarakarana mandavan-taona ireo atleta sy fanindraindrana azy ireo eo amin’ny firenena.

                                                                                                                      Toky R.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT