Sport

Fitsenana ny Barea Handrindra ny fifamoivoizana ny polisim-pirenena


  • Sabotsy 13 Jolay 2019

Handray anjara mavitrika amin’ny fandrindrana ny fifamoivoizana mandritra ny fitsenana ny ekipam-pirenena BAREA hotontosaina anio folakandro eny Ivato ny polisim-pirenena.

 

 

 

 Efa hatramin’ny omaly izy ireo no niomana, raha ny vaovao azo  izay sady hitandro ny filaminana hanomezana voninahitra ireo maherifon’ny Malagasy. Betsaka tokoa mantsy hatramin’ny omaly ireo olona milaza ny ho avy hitsena ny ekipam-pirenena BAREA. Hisy ireo malala-tanana izay hanome maimaimpoana ny fiarany hitateran’olona hiainga avy eny Atsimondrano eny.  Hiomana ihany koa ireo mpanao haingon-tava sy mpivarotra kojakoja maro samihafa hanomezana fahafaham-po ireo mpankafy ho avy eny an-toerana. Miantso ny rehetra mba samy ho tony sy hitandro ny filaminana hatrany ny polisim-pirenena ary misaotra sahady tamin’ny fahendrena nasehon’ny tsirairay taloha sy nandritra iny lalaon’ny ekipam-pirenena BAREA natao tany Egypta iny.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT