Fitsapana ireo Barea

Azo itarafana ireo tena tokony hajoro


  • Talata 26 Martsa 2024

Vokatra no ilaina. Efa zava-dehibe ny nahazoana ireny lalao ara-pirahalahiana

miisa 2 ireny raha ny mikasika ny fitsapana ireo Barea na ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra izay hiatrika ny tohin’ny fifanitsanan’ny tompondaka eran-tany indray amin’ny volana jona. Azo heverina ho mafimafy ihany ny lalao miandry antsika ao amin’ny vondrona I ao, indrindra, amin’io fihaonana amin’i Kaomoro sy Mali hoavy io saingy inoana fa azo itarafana ireo tena tokony hajoro hiatrika ny tena fifaninanana ireny lalao miisa 2 natao farany omaly sy tamin’ny zoma ireny. Nanao ahoana ny endri-dalaon’ny malagasy tamin’ilay isika nandresy an’i Burundi 1 noho 0? Iza avy no nilalao? Nanao ahoana ny fanoloana mpilalao? Heverina fa toy izany ihany koa no fanontaniana ho apetraky ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe mikasika iny faharesena 0 noho 2 nanoloana an’i Rwanda omaly iny. Manampy izay moa izany ny hoe ahoana amin’izay izany no handrindrana azy rehefa tonga ireo mpilalao hafa izay tsy navelan’ny kliobany niatrika ity varavarakelin’ny FIFA ity? Isany ireo kalaza toa an-dry Marco Ilaimaharitra, irakiraka mpanafika milalao ao amin’ny Royal Sporting Charleroi, divizionina voalohany ao Belzika. Isany koa ry Loïc Lapoussin, lohalaharana ao amin’ny Royal Saint Gilloise, divizionina voalohany ao Belzika hatrany. Isan’ny tena andrandraina indrindra moa ny fahatongavan’i Françis Coquelin, irakiraka mpiaro milalao ao amin’ny Villareal CF, divizionina voalohany ao Espagne. Inoana sy antenaina koa fa mbola hisy fanamboarana ao amin’ny vodilaharana ao ary tsy hoe azo itarafana ireo tena tokony hajoro, araka ny voalaza teo fotsiny aza, ireny lalao miisa 2 vita farany ireny fa tena azo iandrandrana tsy ampoizina na hoe «surprise» mahafinaritra mihitsy. Tsy miankina amin’ny mpanazatra sy ny mpilalao irery anefa izany fa miankina amin’ny fanohanana amin’ny lafiny rehetra koa, na fanohanan’ny mpijery io na fanohanan’ireo malala-tanana isan-karazany, indrindra moa ny federasionina izay hatramin’izay ka hatramin’izao aloha dia matetika voatsikera mivaivay ho mpanohariana na fandoto iray tandroka nahatonga tsy fahombiazana hatrany. Enga anie mba hiova amin’izay izany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT