Fitondràm-panjakana sy ny taranja ady totohondry

Mbola tsy milamina hatramin’izao ny fifandraisana


  • Alakamisy 19 Desambra 2024

Mbola tsy tena hita hoe milamina hatramin’izao ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitondràm-panjakàna sy ny taranja ady

totohondry, hoy ny filohan’ny federasionin’ity taranja ity, Hery Mamy Rabarisoa. Nanao fifidianana, hoy izy, ny federasionina ny 3 novambra teo. Vita tanteraka izany. Amin’izao fotoana indray dia hoe tsy eken’ny minisitera izany. Fa maninona? Hanao fanakorontanana indray ve izany dia ho avy ny sazy? Efa nandefa taratasy taty amin’ny federasionina nefa ny sehatra iraisampirenena hoe ekena ilay fifidianana vita teo. Nanaiky koa ny komity olaimpika malagasy. Izay no angatahinay amin’ny minisitra hoe aleo mihaona dia miresaka fa tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana. Tsy hisy hahazo tombontsoa raha ho sazian’ny sehatra iraisampirenena indray ny ady totohondry malagasy. Ny firenena no ho voa amin’izany satria tsy hahazo handray anjara amin’ny fifaninanana iraisampirenena. Ny alarobia teo izao dia nisy fankasitrahana nataon’ny fitondràm-panjakàna ho an’ireo taranja nahazo medaly. Tsy nantsoina ny ady totohondry. Tena mampalahelo izany. Ireo atleta no tena mampalahelo satria mba niady izy tamin’iny tompondakan’i Afrika farany natao tany RD Congo teo iny ny volana oktobra. Nahazo medaly alimo. Niofaofa tany ny sainam-pirenena malagasy. Rehefa misy nefa ny fanomezana fankasitrahana na «prime» dia tsy mba nantsoina ny ady totohondry. Be dia be ireo atleta niantso ahy nanontany hoe fa maninona? Adiadin’ny minisitera sy ny komity olaimpika malagasy ve sa inona no antony, hoy hatrany ny fanontaniana napetrak’ity federasionina malagasy ity ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT