Sport

Fitokanana ny Kianja Barea Ho avy eto Madagasikara I Samuel Eto’o?


  • Zoma 27 Aogositra 2021

Manomboka amin’ny 2ora tolakandro ny lanonana fitokanana ny Kianja Barea Mahamasina ny 2 septambra izao, raha toa ka amin’ny 10 ora dia efa hisokatra ny vavahady.

 Amin’ny 7ora hariva kosa ny lalao goavana andro voaloha’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny “Mondial 2022” any Qatar hifandrinan’ny Barea amin’ny Ecureuils Béninois. Voalaza fa nasaina manokana hanatrika ny fanokanana ofisialy ny kianja ilay Kintan'ny baolina kitra Camerounais Samuel Eto'o, ka andrasana ny mety ho fahatongavany eto na tsia satria mbola tsy nisy ny fampahafantarana izany tamin’ny fomba ofisialy. Tamin’ny andron’I Ahmad Ahmad Filohan’ny CAF dia efa nandalo teto ity mpilalao kalaza fahiny ity tamin’ny novambra 2019 noho izy mpiara-miasa akaiky tamin’I Ahmad Ahmad tamin’izany. Mikasika ny lalao amin’io alakamisy 2 septambra io kosa, dia nambara fa hozaraina maimaimpoana ny tapakila manomboka rahampitso sabotsy 28 aogositra hatramin'ny talata 31 Aogositra eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina ka tsy maintsy mitondra kara-panondrom-pirenena ireo izay haka tapakila, ary entina miaraka aminy maka tapakila izay zaza hanatrika ny fanokanana. Isan’ny adihevitra io hoe: ny Barea voalaza fa sahirana ara-bola, ny fidirana anefa ho maimaimpoana, ny olona vonona handoa vola ho fanohanana ny ekipam-pirenena, ary ho feno foana ny kianja. Maro ihany koa no manantena fa handeha amin’ny fahitalavi-panjakana ny lalao.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT