Sport

FITEAM Niarahaba ireo mpikambana nisondro-boninahitra


  • Alatsinainy 30 Oktobra 2017

Noho ireo fahaoriana nifanesisesy nianjady teo anivon’ny fikambanana dia nanapa-kevitra ny FITAM na FIkambanan’ny TErak’Androy eto Madagasikara tarihan’ny loholon’i Madagasikara, Rehosevo,

fa mba niarahaba kosa ireo mpikamba ao aminy maromaro nahazo fahasoavana ka nisondrom-boninahitra teo amin’ny toerana nisy azy avy amin’ny andraikitra sahaniny eto amin’ny firenena. Tao ohatra no nahazo diplaoma ambony, ny voafidy ho tale Jenaralin’ny Aes ary tao ny farany teo ny voafidy ho filohan’ny  CFM na fampihavanana Malagasy Maka Alphonse. Ny sabotsy 28 oktobra teny Antanimena no nanatanterahana ny lanonana. Nambaran’Atoa Rehosevo fa ny tanjon’ny fikambanana hatramin’ny namoronana azy dia ny hanehoana ny firaisankina ho an’ny teraka Androy mba hahazoana mikatsaka ny tena fampandrosoana marina ny firenena Malagasy. Raha tsy miray hina mantsy ny Malagasy tsy vakivolo, hoy izy, dia hifanipaka toy ny valala an-karona fotsiny eto isika mianakavy.

Tsy azo hodian-tsy hita kosa, ara-tantara, ny lonilony samihafa niseho teto Madagasikara hatramin’ny niandohan’ny fanjakana Andriana, nandalo tamin’ny fanjanahantany ka hatramin’izao fanjakana Repoblika faha-4 izao, hoy Atoa Maka Alphonse, raha nandray fitenenana fohy izy tamin’izany lanonanana izany. Raha haintsika anefa, hoy izy, ny mampifandray ny fahasamihafana sy ny fomban’ny foko tsirairay avy eto Madagasikara dia hisy tokoa izany fitoniana sy fihavanana katsahintsika mianakavy izany. Manana izay fomba mampiavaka azy eo amin’ny fandaminana disadisa ny Faritra Atsimo toy ny Tafise sy ny ziva.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT