Sport

Fitateram-bahoaka Mampijaly mpanjifa ny taksibe Anosy - Ampiatatafika-Vontovorona


  • Alakamisy 02 Janoary 2020

Mba tsy hitenenana hoe lohalaharana dia ao anatin’ireo lohandohan’ny mpisorono tena mampikaikaika sy mampitaraina ny mpanjifa ny taksibe mampitohy an’Anosy

 

 

 

 

amin’Ampitatafika sy Vontovorona.Efa tonga harany amin’ilay sampan-draharaha fitarainana eny anivon’ny fiadidiana ny repoblika rehefa nandalo tao amin’ny ministeran’ny fitaterana, ny ATT sy ny fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa ny fitarainan’ny mpandeha sy ny mponina.Eo aloha ny tsy fanajana ny mpandeha ataon’ny resevera sy ny mpamily, efa hatry ny ela io; fa mbola ao ihany koa ny tsy fahatomombanan’ny fiara, ny seza misy vy maranitra mandrovitra akanjo ary tena mandratra mihitsy.Ny fiodinana antenantenan-dalana, io indray dia efa aretina iombonan’ny taksibe maro eto Antananarivo sy ny manodidina.Fa eo ihany koa ny fandehanana mafy, ary tena mafy loha tsy mety hanarina ireo mpamily, dia ireny iaraha-mahita ireny ny loza vokatr’izany.Hentitra sy masiaka ery anefa ireto taksibe ireto rehefa hanondrotra saran-dalana, ary tsy azo hifampiraharahana amin’ny resaka tapa-dalana.Ny tena mahagaga dia toa tahaka ny tsy misy ny koperativa, sa ve eo ihany saingy tsy mahafehy intsony ireo fiarany ? Voatery tsy maintsy ny minisitra ve sa ny praiminisitra na sanatria hiakatra any amin’ny filoham-pirenena mihitsy vao hahita vahaolana amin’ny adalan’ny taksibe eto ? Mampanontany tena, hoy ireo mpanjifa na mbola tany misy lalàna ihany ny eto na tsia.Mbola manankery ve ny bokin’andraikitra, sa efa samy manao izay maha diavolana ny fony.Tsotra ny afaka atao raha toa ka tsy mbola mino ny zava-misy ireo tompon’andraikitra : mandefa olona mitsirika ny zava-misy etsy Anosikely eo amin’ny fiantsonan’ireo fiara taksibe ireo, ary manaraka azy ireo mandroso sy miverina dia hahita imaso ny hiainan’ny mpanjifa isan’andro.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT