Sport

Fitantanana vonjimaika ny FMF Ny SG mpisolo toerana no mitantana azy


  • Alarobia 14 Novambra 2018

Taorian’ny fanambarana nalefan’ny FIFA ny alatsinainy ny amin’ny hananganana tsy ho ela ny “Comités de normalisation” hitantana ny baolina kitra any amin’ny République dominicaine sy eto

 

Madagasikara dia nanatanteraka ny fialany tsy  hitantana intsony ny  federasion’ny baolina kitra Malagasy Atoa Doda Andriamiasasoa. Nambarany ofisialy teo imason’ny mpanao gazety teny Isoraka izany omaly talata 13 novambra 2018. Herintaona sy tapany izay no nitantanako vonjimaika an’ity FMF ity, hoy izy, ka hisaorako etoana ny mpiara-miasa tamiko rehetra teto anivon’ny Federasiona sy ny mpikambana CE Football “Comité Exécutif” rehetra ato anatiny  ary ianareo namana mpanao gazety rehetra sy ny mpitia baolina Malagasy manontolo tamin’ny fifanampiana matotra nisy ka nahazoana ny vokatra niandrasana nandritra ny 50 taona katroka dia ny fahatafitana ho any amin’ny CAN. Ambarako etoana fa mahazo milaza ny filazany avokoa izay te haneho hevitra rehetra fa ny azoko ambara dia vokatry ny ezaka nataon’ny FMF marindrano  no nahatonga ny fahombiazana izay hisaorako manokana an’ireo mpilalao sy mpanazatra nanao ny ainy tsy ho zavatra nahatontosa izany ary hisaorana ihany koa ny fanampiana nentin’ny tsirairay avy. Ho fampiharana ny fanambarana nataon’ny FIFA dia ambarako fa ny SG mpisolo toerana am-perinasa, Rtoa Sarindra Randrianasolo no hitantana vonimaika ny FMF  mandra-pahatongan’ireo iraky ny FIFA sy CAF hanatanteraka ny fanendrena an’ireo mpikambana ho ao amin’ny “Comité de normalisation Madagascar” hitantana azy sy hikarakara ny fifidianana hatao ao anatiny. Ambarako fa efa vitanay kalamina talohan’izao zava-misy izao ny amin’ny handraisantsika an’ireo lalao hotanterahina eto an-tanindrazana sy ny hivahinianana any ivelany handraisan’ny Cnaps Sport, Elgeco Plus ary Barea anjara, ary koa ny handraisantsika anjara amin’ny Beach Soccer aty ka hiaingan’ireo mpilalaontsika ho any Egypte amin’ny 9 desambra 2018 izao.

Mikasika ny mety ho mbola haha kandida ahy  ho filohan’ny FMF, hoy Atoa Doda Andriamiasasoa dia mbola aloha loatra ny firesahana izany ankehitriny fa ho hitantsika eo ihany.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT