Fitantanana ny Barea

Mafy ny tsindry ho fametrahana an’i Anthony Da Silva…


  • Talata 07 Janoary 2025

Mafy ny tsindry ho fametrahana an’i Anthony Da Silva eo amin’ny fitantanana ny Barea na ny ekipam-pirenena

malagasin’ny baolina kitra amin’izao fotoana izao. Tsy ny resaka tsindry avy amin’ny fitondràm-panjakàna malagasy miantefa amin’ny federasionina malagasin’ny baolina kitra na FMF toy ny mahazatra eto no resaka na koa hoe tsindry avy amin’izay heverin’ny maro fa mpanapa-kevitra miaraka amin’ny fitondràm-panjakàna izay ho tokony hitantana na mpanazatra izany ekipam-pirenena izany dia ny orinasa Telma teo aloha, izay lasa Yas ankehitriny, fa ny tsindry avy amin’ny mpankafy baolina kitra malagasy sy ireo lahatsoratra an-gazety vahiny samihafa mihitsy. Ny 90%n’ny sanjila na «chance» sy ny tombana izany izao dia mitodika any amin’ilay tekinisianina portogey, Anthony Da Silva, avokoa. Vao omaly koa ny gazety romanina iray no nanamafy fa efa mandeha ny fifampiresahana eo amin’ny FMF sy ity tekinisianina 43 taona ity. Gazety eoropeanina samihafa koa no efa namoaka vaovao momba izay maha tsara toerana ity tekinisianina ity izay. Ny lalao amin’ny martsa izay hihaonana amin’ny repoblikan’i Centrafrika sy Ghana, araka izany, no heverina fa hiantsorohan’ity mpanazatra ity voalohany, raha toa ka homena azy moa izay toerana maha mpanazatra ny Barea izay. Raha ny fantatra hatreto, na izany na tsy izany, dia mbola eo am-pandinihana ny fahafaha-manefa ny ara-tekinika sy ara-bolan’ireo kandida miisa 54 ho mpanazatra an’ity ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra ity hatramin’izao ny FMF.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT