Sport

Fitantanana ny baolina kitra Malagasy Manomboka indray ny politika maloto ?


  • Talata 16 Jolay 2019

Efa niteraka adihevitra samihafa ny fahatarafana fijapiana ara-politika ny fahombiazan’ny Barean’i Madagasikara, izay nezahin’ny maro nampanginina mba tsy hisian’ny tsy fitovian-kevitra, ka noderaina hatrany ny ezaka fanohanana tamin’ny endriny maro.

 

 

 

Toa tena tafiditry ny politika avo lenta anefa eo amin’ny tontolo ara-pitantanana ny baolina kitra Malagasy, raha tarafina amin’io tsy fahafahan’ny filohan’ny “Alefa Barea” mirotsaka ho filohan’ny Federasionina Malagasy na ny FMF io satria tsy nahafeno ny fepetra, dia ny fanohanana avy amina filohana ligy miisa telo. Lasa adihevitra be anaty tambajotran-tserasera io. Tsy fandokafana sanatria, fa kosa mba anisan’ny nanao ezaka goavana niteraka fahombiazana ho an’ny Barea izy, na tamin’ny fikarakarana lalao ara-pirahalahiana tany ivelany na tamin’ny fanetsiketsehana ny mpanohana. Mety samy maharesy lahatra avokoa ireo mpifaninana fa na izany aza dia tena mahalasa saina ihany. Dia tsy misy olona 3 amin’ny filohana ligy 22 tokoa ve resy lahatra tamin’Atoa Lova Ramisamanana izay tena noderain’ny mpakafy kitra ny finiavany ? Izany ve tsy midika fa efa nandeha ny fividianana tany ambadika ireo mpifidy ? Ny irariana dia mba hilatsahan’ny fanahy masina izay holaniana eo, ka mba tena hitondra avo hatrany ny kitra Malagasy fa tsy hibizina sy tena hanao fitaovana politika io sehatra io, ka tsy takona indray ilay tara-pahazavana efa nentin’ny Barea.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT