Sport

Fitantanana kitoatoa Tandindonin-doza ny baolina kitra Malagasy


  • Alarobia 10 Martsa 2021

Kely sisa dia efa ho tahaka ny angano ilay fietanam-po nateraky ny fisandratan’ny

 

Barean’i Madagasikara tany amin’ny CAN Egypte ny taona 2019. AnNkehitriny, manomboka miharihary, fa toa ny olana no betsaka noho ny vahaolana. Ny federasionina (FMF) tsy misy lohany satria nitsoaka any ivelany noho ny fanenjehana azy tsy mifandraika loatra amin’ny baolina kitra I Arizaka Rabekoto Raoul filoha voafidy hitantana ny FMF; ilay komity mpitantana tsy hita be ihany hoe iza no manao inona? Asa lasa bizina ve sisa ny fitantanana ka lasa mikepoka izay azo? Manomboka miharihary ny olana sy ny lesoka, izay ahiana hisy fiantraikany goavana indray any amin’ny vokatra. Tsy vao izao io, saingy miha miharihary indray amin’izao fotoana. Irariana mba ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa ho an’ny ekipam-pirenena, fa raha ny hita taratra avy aty ivelany aloha, dia manomboka miharihary hatrany ny fitantanana mikorosy fahana. Ny kianja goavam-be etsy andaniny amboarina etsy Mahamasina sy any amin’ny Faritra hafa, fa ny baolina kitra miha marary, efa karazana soritr’aretina io mitranga amin’i Lalaina Nomenjanahary io, ny fiantsoana an’I Faneva Ima izay efa nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa tsy hiatrika lalao miaraka amin’ny Barea intsony ary efa natao veloma,... Midika io fa misy fahalemena ao anatin’ny ekipam-pirenena. Ny resaka be miely tsy eto Madagasikara ihany fa hatrany ivelany momba ny mpanazatra Nicolas Dupuis izay mety misy ny fahamarinany na fahadisoany saingy tsy azo hamaivanina. Ny mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasy izay misitraka 75 000 000Ar na 16 700 euros avy amina orinasam-panjakana iray, voalaza fa sady mpanolon-tsain’ny Filoha, Tale teknika nasionaly,… Tena voahasahany sy tsy misy fiantraikany amin’ny ekipam-pirenena ve izany. Farany teo izao, dia nidaraboka ihany koa i Ahmad filohan’ny CAF, tsy afaka ny ho kandida intsony kanefa mba reharehan’ny Malagasy, navesatra ny fiampangana azy izay notondroina ho nanao kolikoly samihafa. Enga anie tsy hisy fiantraikany amin’ny ekipam-pirenena ireny rehetra ireny.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT