Sport

Fitantanana ireo Barea Mila tena hentitra ny mpanazatra


  • Alatsinainy 26 Oktobra 2020

25 lahy ireo voaantso handrafitra ny ekipam-pirenen’ny baolina kitra Malagasy farany teo. Hiatrika fampivondronana moa izy ireo ny fiandohan’ny volana

 

 

 

novambra mba hamaritana ny lisitra faran’ireo 23 mirahalahy hiatrika ny ekipam-pirenena Ivoarianina any Cote d’Ivoire ny 14 novambra izao sy hiatrika ny lalao miverina atao eto an-toerana ihany koa ny 17 novambra. Azo faritana ho lalao mety ho henjana indrindra amin’izay ho hatrehin’ny Barea ao anatin’ity fifanintsanana ahazoana ny tapakila hanaovana CAN 2022 ity ireo lalao 2 misesy ireo. Mila mafy loha noho izany ny mpanazatra amin’ny fifantenana ireo mpilalao sy mpiara-miasa mba tsy hiverenan’ny laza teo aloha indray toy ny hoe ireo akamakama no tafiditra. Raha ny tsikera sy fanehoan-kevitr’ireo mpankafy Barea sy ny mpanaraka azy ireo dia satrin’ny sasany ho mpilalao 40 isa any ho any fara fahakeliny ho voaantso Barea daholo. Isan’ny adihevitra ny hoe toa tsy misy avy eto an-toerana mihitsy? Fa maninona no najanona ranona? Fa maninona no tsy voaantso ranona sy ny maro hafa tsy voatanisa?, izany hoe, hita ho miha maro mihitsy ireo mpanaraka te handindy eo amin’ny toeran’ny mpanazatra, Nicolas Dupuis, ary tsikaritra ho zary te hametraka izay fifandanjana izay fotsiny indraindray ity tekinisianina ity. Mila mafy loha sy sahy manapa-kevitra anefa raha te ahita vokatra tena mendrika ary hita amin’ny fanaon’ireo mpanazatra vahiny malaza toy ny any Eoropa izany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT