Fisiana federasionina tsy nahazo

fankatoavana iraisampirenena «Ny fiainan’ny fanatanjahantena


  • Alarobia 23 Jolay 2025

malagasy manontolo mihitsy no ahiana»

Efa nanatona ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena ny taranja ady totohondry, hoy ny filohan’ny federasionin’ity taranja ity, Hery Mamy Rabarisoa, nitondra ny firaketana an-tsoratra ny fifidianana natao teo anivon’izany federasionina izany. Ny antony tsy hanomezany ny fankatoavana na «conformité» anay dia hoe tsy nanatrika ny fifidianana nataonay, hono, ny minisitera, hoy izy. Nahazo fiantsoana na «convocation» nefa izy ary nisy fanekena izany na «accusé de réception» ihany koa voarainay. Nolazain-drizareo fa aingana loatra fa tokony ho 15 andro mialohan’ny fifidianana no hanomezana izany fanasàna izany. Ny fahalalanay azy nefa dia manatrika izany fotsiny no anjaran’ny minisitera sy komity olaimpika malagasy. Solontena no alefa rehefa tsy afaka ny lehibe dia any ianao no miady hevitra mikasika ny tokony ho ahemotra sy aroso. Azo ifampiresahana izany. Tsy tonga ry zareo. Ny fifaninanana iraisampirenena natao tany Kaomoro farany teo dia karazana lalao ara-pirahalahiana, izany hoe, tsy misy idiran’ny minisitera na inona fa amin’ny maha fetin’ny fahaleovantena azy dia ny fanjakàna kaomorianina no nanasa. Ilay atleta kaomorianina nomena medaly volamena no tonga saina hoe tsy izy no mendrika fa ny mpikatroka malagasy dia naleony naterina tany amin’ny hotelinay ho an’ny firenena malagasy ilay medaly volamena fa ny medaly volafotsy no nalainy ho azy. Heno fa misy federasionina malagasin’ny ady totohondro miforomporona any ambadimbadika saingy tsy fantatray hoe tohanan’iza? Raha izany fisiana federasionina tsy nahazo fankatoavana iraisampirenena izany nefa no sanatria mitombina dia ny fiainan’ny fanatanjahantena malagasy manontolo mihitsy no ahiana fa tsy ny ady totohondry fotsiny. Tsy maintsy hitaraina any amin’ny World boxing na federasionina iraisampirenena izahay. Io no eken’ny CIO na Komity iraisampirenena momba ny fananjahantena hitantana ny ady totohondry maneran-tany. Ny World boxing izany no hampandre ny zava-misy aty any amin’ny CIO avy eo dia io no mampitandrina ny minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena aty. Efa nisy izany fanatanjahantena iraimanontolo voasazy izany teto Madagasikara. Inoana fa handray ny andraikiny ny minisitera, hoy hatrany ny federasionin’ny ady totohondry malagasy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT