Sport

Firenena Indoneziana Maniry ny hanana ekipa toa an’i BAREA, hoy ny Masoivohony


  • Zoma 14 Febroary 2020

Tonga nitsidika ara-pomba diplomatika an'ny minisitry ny tanora sy fanatanjahantena, Atoa Tinoka Roberto, ny masoivohon'i Indonezia,

 

 SEM Anandita Harimurti Axioma, niaraka tamin'ny Consul Honoraire an’ity firenena ity, Atoa Li Wai Cam Marco sy ny tompon'andraikitra ara-ekonomika, Atoa Muhammad Abdullah sy Rtoa Dian Susilo Murté, omaly alakamisy  13 febroary 2020, tetsy Ambohijatovo.

Tao anatin'ny dinik'asa nataon'ny roa tonta dia lahadinika maro no nifanaovana toy ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena, dia nampiseho ny fahavononany avy hatrany hanampy antsika amin'ny fanofanana sy fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo mpanazatra sy ireo mpitsara eo amin'ny tontolon'ny fanatanjahantena ary fikarakarana ireo karazan-dalao samihafa. Raha mahakasika ny fampivoarana ny tanora kosa dia fizarana traikefa ho fanamafisana ny Politika Nasionaly ho an'ny Tanora(PNJ) sy fifanampiana eo amin'ny famoronan'asa ho an'ny Tanora. Tsara ho fantara fa manana tanora matanjaka i Indonezia izay anisan’ny nampiroborobo ny toekareny.
Fanirian'ny Masoivohon'Indonezia ny hanana ekipam-pirenena toy ny Barean'i Madagasikara izay nitondra avo ny lazan'ny baolina kitra Malagasy.
Marihina fa manana orinasa mpamokatra baolina ny indoneziana izay nahazo fankatoavana avy amin'ny federasiona iraisam-pirenena ny baolina kitra (FIFA), nitondra santionany tamin'izany ity masoivoho ity ka natolotra an'ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena. Noresahina nandritra ny fihaonana ihany koa ny fomba ahafahana miara-miasa amin'ilay orinasa.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT